Mety hisy fiantraikany amin’ny famatsiana solika eto Madagasikara ny fepetra noraisin’ny fanjakana momba ny fampidinana solika ao amin’ny Terminal Pétrolier ao Toamasina, araka ny fanambaran’ny Vondrona mpanafatra solika eto Madagasikara (GPM).
Araka ny fandaharam-potoana, nigadona ao Toamasina omaly alarobia, ny sambo mitondra solika an’ny GPM sy ny sambo mitondra solika ho an’ny Jirama, izay an’ny fanjakana, araka ny nambaran’ny minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo, ny herinandro teo.
Ny talata teo, namoaka fanambarana ny GPM fa nofehezin’ny fanjakana ny fahafahana mampidina solika ao amin’ny Terminal Pétrolier ao Toamasina. Antony mahatonga ny sambo tantanan’ny GPM tsy afaka mampidina ny solika nentiny. Nohamafisiny fa mety hiteraka olana amin’ny famatsiana sy hampihena ny tahirina solika ny fanovana ny rafitra napetraka nandritra ny 20 taona. Nanambara ny GPM fa tsy tompon’andraikitra amin’ny olana mety hitranga amin’ny tsy fahampian-tsolika na ny fikorontanan’ny famatsiana eto Madagasikara izy ireo. «Tokony nisy dinika nifanaovan’ny fanjakana sy ireo mpisehatra voakasika momba ny fanapahan-kevitra noraisina mba hisorohana ny trangan-javatra toy izao sy hitadivam-bahaolana mba hiantohana ny famatsiana solika», raha ny fanazavany hatrany.
Marihina fa mitondra solika 67 000 litatra ny sambo Sunda 1 nafaran’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny orinasa State Procurement of Madagascar (SPM). Solika entina hamatsiana ny famokaran’ny herinaratry ny Jirama, indrindra amin’izao maintany izao.
Henintsoa




