INDRAY MIJERY

Olona 52 no nisitraka fandidiana molotra sy lanilany maimaimpoana tao amin’ny HJRA tamin’ity herinandro ity. Fiaraha-miasan’ny hopitaly tamin’ireo mpilatsaka an-tsitrapo sy ny mpiara-miombon’antoka no nahafahana nanao ny hetsika. Mampiova ny fiainan’ny olona ary mitondra fanantenana vaovao ho azy ireo ny fahavitan’ny fandidiana.

Tombanana ho mafy ny fitsokan’ny rivotra eo anelanelan’i Morombe sy ny tanjona Vohimena. Vinavinaina hiitatra any amin’ny morontsirak’i Menabe sy i Melaky ary i Boeny izany any amin’ny faran’ny herinandro. Hahatratra 45 hatramin’ny 55 km/ora ny hamafin’ny rivotra.

Tombanana hahery ny ranomasina any amin’ny morontsirak’i Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana, Androy, Anosy ary Atsimo Atsinanana noho ny alondrano avy atsimo na atsimo andrefana. Vinavinaina hanodidina ny 3 hatramin’ny 3,5m ny haavon’ny onja, hahatratra 4m indraindray any amin’ny morontsiraka atsimo andrefana sy atsimon’i Nosy. Manomboka anio sy rahampitso.

Partager sur: