Nanolotra vary milanja 5000 taonina ny vahoaka sy ny governemanta indianina ho tohana ho an’ireo Malagasy traboina vokatry ny rivodoza sy ny haintany miseho eto Madagasikara. Mankalaza ny faha-80 taonan’ny fahaleovantenany i Inde ka anisan’ny manamarika izany ny fanampiana ny mpiara-belona. Naheno ny antso nataon’ny fanjakana malagasy rahateo izy ireo ary vonona hamaly rehefa misy fifanampiana azo atao. Nandritra ny fanamarihina ny Andron’i Afrika, notanterahina tany Inde ny fiandohan’ny volana teo, nanamafy ny governemanta Indianina fa hanampy sy hanohana an’i Afrika ary laharam-pahamehana i Madagasikara, araka ny lahatenin’ny Chargé d’affaires ao amin’ny masoivohon’i Inde eto Madagasikara, Mohit Kumar, omaly, teny amin’ny foiben’ny BNGRC Andrainarivo.
“Manamarika ny fiaraha-miasa sy ny firaisankina eo amin’i Inde sy i Madagasikara ny fanampiana vary nomen’ny Indianina ary tsara fahatongavana”, hoy ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Rakotonandrasana Hanitra Velonjara Tiaray.
Mbola sahirana ny ankamaroan’ny mponina any amin’ ny faritra Atsinanana vokatry ny takaitran’ny rivodoza Gezani farany teo, mamely koa ny tsy fahampiana ara-tsakafo any Atsimo. Voalazan’ ny fanadihadiana IPC, ny volana jolay lasa teo, fa olona 2 tapitrisa mahery no miaina krizy ara-tsakafo. Ary tombanana hiakatra hatramin’ny 3 tapitrisa sy sasany ny isa manomboka ny volana oktobra 2026 hatramin’ny volana febroary 2027 ka ny olona 425 000 amin’ireo ao anatin’ny hamehana, araka ny nambarany ihany. Tsy maintsy manao asa fiomanana ny fanjakana ka hotsinjaraina sy hapetraka mialoha amin’ny toerana tena ahina ny sakafo ka ny BNGRC no hisahana ny asa.
Vonjy




