Sekolin’ny Etamazaoro : Manamboninahitra nahavita fiofanana

Notontosaina ny zoma lasa teo, tao amin’ny Cercle Mess Soanierana, ny lanonana famoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo mpiofana nahavita fiofanana tao amin’ny sekolin’ny Etamazaoron’ireo Tafika (EEM). Nahitana manamboninahitra ambony miisa 15 izany andiany faha-32 izany. Nisy koa ireo mpiofana avy ao amin’ny ivontoerana fanitaram-pahaizana ho an’ny manamboninahitra, nahitana ny andiany faha-33
avy ao amin’ny «Cours de Perfectionnement des Officiers Subalternes (CPOS)», ny andiany faha-35 avy ao amin’ny «Cours de Qualification des Officiers Subalternes (CQOS)», ary ny andiany faha-19 avy ao amin’ny «Cours de Formation Complémentaire des Officiers n°2 (CFCO2)», miisa 92. Nanome voninahitra ny lanonana ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Razafitombo Mamitiana Ely, notronin’ny Sekretera maharitry ny fiarovana ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Jly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo, ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Pikulas Démosthène. Nisy ny fanolorana mari-pahaizana ho an’ireo mpiofana nahavita fiofanana.

Jean Claude

Partager sur: