Tantara amin’ny onjam-peo : Mitaky ny hisitrahany zo ny mpilalao sy ny mpanatontosa

Notanterahina omaly tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena, Anosy, ny fampisalorana mari-boninahitra ireo mpisehatra amin’ny tantara amin’ny onjam-peo. Nisy fitakiana nataon’izy ireo momba ity kanto iray ity.

«Fotoana iray hararaotina ny fihaonana tahaka izao ha­nehoanay ny hetahetanay ka itakiana ny zo hositrahanay mpilalao sy mpanatontosa tantara amin’ny onjam-peo ka hahazoanay izany isan-taona », hoy ny mpitondra te­nin’izy ireo, Nanja Razafindra­koto. Nanteriny fa mba ho tahaka ireo mpanakanto hafa efa misitraka izany zo izany. Nambaran’ny minisitry ny Se­rasera sy ny kolontsaina, Gascar Fenosoa fa manome lanja sy hasina ny kanto ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny minisitera tarihiny. Efa nisy ny fihaonana teo amin’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny tantara sy ny tantara an-tsehatra ka hitohy amin’ny fakan-kevitra amin’ireto andiany ireto izany. «Ia­rahana amin’ny Omda ny hijerena izany», hoy izy. Nenta­ni­ny hanohy ny kanto efa nataony ireo mpilalao sy mpanatontosa tantara amin’ny fampitana hafatra sy fanabezana ary ho amin’ny mahasoa. Tsy ho fanimbana ny fiarahamonina. Nanteriny fa tsy mbola ampy rahateo ny fanabezana olom-pirenena fa iarahana amin’ireo mpisehatra amin’ity kanto iray ity koa izany. Maro ireo misitraka ny kanto avy aminareo ary tena mipaka hatrany ambanivohitra rehetra any, araka ny nambarany hatrany. «Rariny raha misitraka fankasitrahana sy tolorana mari-boninahitra ta­haka izao ianareo. Andrin’ny kolontsaina ianareo ka vonona ny minisitera hiahy sy hiaro anareo», hoy ihany ny minisitra.
Tsiahivina fa miisa 27 mianadahy (mianaka) ireo nosalorana ny mari-boninahitra araka ny sokajiny avy sy ny fahelan’ny fotoana nilalaovana sy ny nanatontosana tantara amin’ny onjam-peo.

HaRy Razafindrakoto

 

Partager sur: