Maika ny asa fanavaozana ny fampianarana teknika. Omaly, nisy ny fihaonana teo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa (METFP) sy ny Fonds Malgache de Formation Professionnelle (FMFP).
Nifantoka tamin’ny tetikasa Myset ny dinika. Izany dia mikendry fanofanana tanora miisa 120 000 ao anatin’ny dimy taona, amin’ny sehatrasa 50 isa. Amin’ny alalan’ity tetikasa ity dia kendrena manokana ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tanora sy ny fanamorana ny fidiran’izy ireo amin’ny sehatrasa. Mifanaraka amin’ny ezaka izay efa ataon’ny METFP amin’izao fotoana izao izany. Miroso ao anatin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa, noho izany, ny roa tonta. Heverina fa hitondra fanavaozana betsaka ho an’ireo tanora maro manerana ny Nosy ity fiaraha-miasa ao anatin’ny tetikasa Myset ity. Tolotra fampiofanana mifanaraka amin’ny filan’ny orinasa, sady manome fahafahana ho an’ny tanora hampivelatra ny talentany sy ny fahaizany no ilaina.
Tatiana A




