TSELATRA

Natomboka omaly ny fananganana toby ho an’ny zandarimaria hiadiana hanakaiky ny vahoaka ao Andraikiba. Birao natao hiasan’ny zandary sy hanampy ny vahoaka hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana izany.

Lehilahy vao nivoaka ny fonja tratra nangalatra, tao Tsiroanomandidy, afakomaly. Zava-pisotro tao amin’ny toeram-pisotroana iray no nalainy nandritra ny fahatapahan-jiro. Noraisim-potsiny teo am-panatanterahana ny asa ratsiny izy.

Zava-mahadomelina 12 gony nodoran’ny mpitandro filaminana tao Ihosy, omaly. Tra-tehaka nandritra ny fisavana nataon’ny polisy ireo rongony ireo.

Tovolahy nanolan-jazavavy 14 taona nosamborin’ny polisy miasa ao Morondava, afakomaly. Niasa tsy lavitra ny trano fonenan’ny ray aman-drenin’ilay zaza lasibatra ity nahavanon-doza ity.

Partager sur: