Lavo ny andrarezina ! Nodimandry, omaly, teo amin’ny faha-89 taonany, ny Mompera Andriatsifa Désiré Anatole, fantatra tamin’ny solonanarana « Baigny Dezy ». Nanamarika manokana ny fiainany ny talenta sy ny fahaizany mozika. Nanao fianarana ambony tao amin’ny « Conservatoire de musique » tany Frantsa izy. Nampiasainy ho fitaovana hitoriana ny tenin’ Andriamanitra sy nanabeazana ara-panahy ny talentany.
Andrarezin’ny famoronan-kira i Baigny Dezy. Iray amin’ireo sehatra lehibe nisongadinan’ny talentany ny antoko mpihira Antsa Faravohitra. Vokatr’izay, i Baigny Dezy no olona faharoa nantsoin’i Don Gilles handrafitra ny Ankalazao ny Tompo ny taona 1972. Nankinina taminy tanteraka ny nandrafitra ny hiran’ity fikambanana ity. Maro be ny hira noforoniny sy ny hira noforonin’ireo mpikambana no namboariny. Maro tahaka izany ihany koa ireo mpanakanto (mpamoron-kira, mpihira, mpitendry zavamaneno…) nanatona azy haka torohevitra.
Ankoatra ireo hira nentina nidera an’Andriamanitra. Namorona hira mitodika amin’ny fiainana andavanandro sy ny fifamatoran’izany amin-Janahary izy. Anisan’ny hira tsy lefy laza noforoniny ny « Raha mibanjina ny lanitra », « Arovinao Zanahary », Tsara ny mankalaza Anao », « Zavatra iray loha », « Saratiana », « Volana », iray amin’ireo hira nahafantarana ny antoko mpihira Antsa Faravohitra. Tao ihany koa ny « Efitra ny fiainana », « Ry vahoaka voafidy », « Ry fanahy nomena anay », sns.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto




