Antehiroka : Lehilahy niharan’ny fitsaram-bahoaka

Naratra mafy, vaky ra ny loha sy ny tavan’ny lehilahy iray saron’ny fokonolona nanao asa ratsy teny Ambatolampy Antehiroka, afakomaly. Nivezivezy tao amin’ny toerana natokana hijanonan’ny fiara ilay lehilahy. Nanararaotra nisokitra fiara teny an-toerana izy kanjo tsikaritry ny mponina manodidina io fihetsiny io. Nikasa hangalatra tao anatin’ny fiara izy, raha ny fanazavana. Tetsy ankilany, nanao mody adala ity lehilahy ity rehefa nosamborin’ny fokonolona. Naka vato izy ary nokasainy ho torana ireo olona nahatratra azy. Raikitra ny daroka sy vono nataon’ny nanatri-maso. Tsy namelan’izy ireo raha tsy voasambotra ilay mpamaky fiara. Matetika hitrangana halatra fitaovana ao anaty fiara eny amin’ny manodidina saingy tsy hita ny mpanao ratsy. Nitarika ny fahatezeran’ny olona ny fahatrarana an’ity lehilahy nivadika mody adala ity.

Tsiferana R.

Partager sur: