CMR Tunisie : Hanohana ny fanarenana ny Secren

Nihaona tamin’ny tomponandraikitry ny “Société d’étude, de Construction et de Répartition Navale” (Secren), Félicien Milson, ny tale jeneralin’ny “Compagnie Méditerranéenne de la Répartition” (CMR) Tunisie, Claude Miguet, mba hifampi­dinika momba ny fiaraha-miasa. Tanjona ny hanatsarana ny asan’ny orinasa sy hamerina indray ny fahafahany miasa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Tafiditra ao anatin’ izany ny hanofana ireo mpiasa malagasy any Tonizia sy hanavao ireo fitaovana ampiasaina ao amin’ny orinasa. Ao anatin’izay, hitondra ny fahaiza-manao sy ny traikefa hana­nany ny CMR Tunisie, hanavao ny fampitaovana mba hahafahan’ny Secren hananana rafitra matihanina sy afaka mifa­nina amin’ny any ivelany. Mbola mitohy ankehitriny ny dinika momba ny fomba hanatanterahana ny fiaraha-miasa. Mari­hina fa laharam-pahamehan’ny Secren ny hamerina ny vokatra sy ny fahafahan’ny orinasa mijoro ho an’ny fampandro­soana ny toekarena.

Henintsoa

Partager sur: