Efa ho 10 taonina, ny horita azo tao anatin’ny iray andro nandritra ny fanokafana ny fanjonoana horita tao amin’ny Faritra Arovana an-dranomasina (AMP) Velondriake, any Atsimo andrefan’i Madagasikara. Antony nahazoana ny vokatra ny fanajana ny fanakatonana vonjimaika ny toerana fanjonoana. Nandritra izany, afaka nitombo sy niteraka ny horita, ka nahafahana nampitombo ny tahiry rehefa nisokatra indray ny fanjonoana. Miisa 13 ireo tanàna nandray anjara amin’ny fitantanana ny AMP Velondriake. Anisan’izany i Nosy Be, Bevato, Antsatsamandika, Belavenoke, Andranombala, Nosy Ve, Andavadoaka, Antserananangy, Ampasilava, Ampisorogna, Lamboara, Tampolove ary Ankitambagna. Manaporofo izany vokatra izany fa afaka mitondra tombontsoa ho an’ny mpanjono sy ny fiarahamonina ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina, indrindra ny fanjana ny fe-potoana fanakatonana ny jono. Amin’ny alalan’ny tetikasa GEF6-AMP, ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy dia manohana ny AMP Velondriake, izay tantanan’ny Fikambanana Velondriake miaraka amin’ny Blue Ventures Madagascar. Tanjona ny hanamafisana hatrany ny fitantanana sy ny fiarovana ny harena an-dranomasina ao amin’ity faritra arovana ity. Marihina fa mampidi-bola sy mamelona tokantrano an’arivony ny sehatry ny jono sady fanoitra amin’ny fampandrosoana ny toekarena.
Henintsoa




