Tsy mety foana ny tranga vaky fasana ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Fasana iray niharan’ny asa ratsy nataon’ny jiolahy tao amin’ny fokontany Mananosy Ambohimanoa, kaominina Mahitsy, ny alin’ny alarobia 12 aogositra lasa teo. Varavaram-pasana efa nitongilana no hitan’ny mpandalo iray. Nampandre avy hatrany ny tomponandraikitry ny fokontany sy ny tompom-pasana izy. Niroso tamin’ny fanamarinana ny razana tao am-pasana ny tompon’ny fasana lasibatra. Maherin’ny 40 ireo razana lasan’ireo tsy mataho-tody. Razana miisa fito hany sisa navelan’izy ireo tao anatin’ny fasana. Ankoatra io, fasana iray hafa lasibatry ny olon-dratsy tao Faratsiho, afakomaly. Nokorotanin’ny jiolahy avokoa ny taolam-balon’ireo razana rehetra milevina tao anaty fasana. Miaina anaty tebiteby tanteraka, araka izany, ny mponina taorian’ny fisian’ity tranga ity. Naverina nofonosana ny razana lasibatra ary nakatona ny fasana. Tsiahivina, matetika hitrangana vaky fasana anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo sy ny manodidina. Na eo aza ny fandraisana andraikitra ataon’ny mpitandro filaminana miasa any an-toerana, mahita hirika hatrany hanantanterahana ny asa ratsiny ireo tsy valahara.
Tsiferana R.




