Kaonseritra “Asandrato” : Hira 30 horedonina mandritra ny adiny telo

Hanakoako hira fiderana indray ny etsy Anosy, rahampitso sabotsy mandritra ny andron’ny “assomption”. Antoko mpihira telo no hanandratra ny feony, ao anatin’ny fankalazana taon-jobily.

Hotanterahina rahampitso 15 aogositra, ma­nom­boka amin’ny 3 ora folakandro ao amin’ny efitrano Havoria Anosy, ilay kaonseritra “Asandrato”. Seho ara-pilazantsara, hanandratan’ireo antoko mpihira telo sangany sy manana ny lazany eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny mpikarakara fa hiavaka ity hetsika ity, satria, fankalazana telo samihafa no hatambatra ho iray ka hohiraina sy haseho an-dampihazo.
Seho hoentina hiderana sy fisaorana an’Andriamanitra, noho ny taon-jobily volafotsy (50 taona) ny Sampana Tanora Kristianina (STK) Tia Fjkm Andraisoro Kristy Fehi­zoro. Eo koa ny faha-35 taona namoronan’Atoa, Razafin­drazaka Handrisoa, hira fiderana tao amin’ny antokom-pihira Anjomaran’ny Fitiavana, FJKM Tranovato Fitiavana Toamasina sy ny faha-25 taonan’ny Rantsana Fialamboly sy Fanatanjahantena (RFF) ao amin’ny FJKM Amparibe Famonjena.
Hira miisa 30 eo no hanakoako ao an-toerana, mandritra ny ora telo sy sasany. Hizara roa miavaka tsara ny seho. Fizarana voalohany, samy hikalo ny hirany avy ireo antokom-pihira telo tonta ireo ka samy hanana anjara hira 8 avy. Ny fizarana faharoa, fampiaraham-peon’ny antoko mpihira telo. Hitendry ny zava-maneno mandritra ny fankalazana, i Son eo amin’ny vatomarohafitsoka, i Nomena eo amin’ny amponga maro anaka, ary i Miaro eo amin’ny gitara beso.
«Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra. Lazao amin’ny tanànan’ny Joda hoe : Indro Andria­manitrareo», nalaina tao amin’ny Isaia toko faha-40 andininy faha-9, ny teny faneva ho an’ity fankalazana, ity.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: