TSELATRA

Zaza menavava hita faty nifono tao anaty harona plastika teny amin’ny Makis Andohatapenaka, omaly. Ahina ho narian-dreniny ilay zaza ka natsipiny teny amoron-dranon’Ikopa. Hitan’ny mpandalo ny harona plastika ka nampandre ny polisim-pirenena nisahana ny fifamoivoizana tsy lavitra teny an-toerana izy.
Trano efitra telo ravan’ny afo tao amin’ny fokontany Tsimenatsy I Atsinanana, Toliara, omaly. Kila avokoa ny entana rehetra tao anatin’ny trano lasibatra. Tsy nisy namoy ny ainy. Fifanomezan-tanana nataon’ny fokonolona no nahafahan’ny mponina nifehy ny afo.

Partager sur: