Fanavaozana sy tombontsoa manokana : Mizara ny hevitry ny depiote ao Tsimbazaza

Mizarazara ny solombavambahoaka ao Tsimbazaza, ankehitriny. Misy ny mitaky ny fanavaozana tanteraka, ho an’ny tombotsoam-bahoaka. Misy ny mivadibadi-kevitra noho ny tenany manokana. Mifanalavitra ny fampanatenana sy ny asa vita.

Samy manana ny heviny manoloana ny toe-draharaha politika misy ankehitriny ny solombavambahoaka ao Tsimbazaza. Raha nijoro ny komity manohana ny fana­vaozana, iarahana amin’ny depiote manohana ny fitondrana teo aloha, manana ny ambarany koa ny ankolafy hafa toy ny an­to­ko politika ny Asa vita no Ifampitsarana na ny Avi. Ni­ton­dra ny tenin’izy ireo ny filoha na­sionalin’ity antoko ity, Andriamiharivolamena Zavamanitra. “Mahatakatra tsara ny hatezeran’ny vahoaka izahay. Mitaky ny fanavaozana tena izy ny rafitra dieny tsy mbola tara”, hoy ny fanambarana, navoakan’izy ireo omaly. Manomboka tezitra sy mampiaka-peo ny vahoaka any amin’ny faritra isan-karazany, Mahita ny solombavambahoaka tsy mijoro amin’ny andraikitra takin’ ny Lalàmpanorenana amin’izy ireo. “Tsapa ny zava-misy ankehitriny fa mirona amin’ny fiarovana ny tombontsoa ma­nokana ny olom-boafidy ao amin’ny distrikany. Lany andro manara-dia ny filohan’ny Fa­navaozana etsy sy eroa ny depiote sasany, kanefa toerana tsy tokony halehany akory. Matetika mivadika ho faminganana ilay filoha izany”, hoy hatrany ny vondrona mpanao lalàna iray ity.

Mila ovaina

Manamafy izy ireo, indrindra ny antoko Avi, fa tsy manaraka ny fenitra demokratika ny olana misy ao amin’ny Anteni­merampirenena ankehitriny. Tokony hisaraka mazava tsara ny asan’ny mpanao lalàna sy ny mpanatanteraka. “Fantatry ny vahoaka ny atao rehefa tsapany fa misy elanelana be ny fampanatenana natao nandritra ny fampielezan-kevitra sy ny zava-bita na ny zava-misy marina”, hoy hatrany izy. “Misy fomba fanao mila ovaina sy kolontsaina politika tsy maintsy ialana ny fanavaozana tena izy”, araka ny fanambarana.
Namaranan’izy ireo ny fifampizarana amin’ny mpanao gazety fa tsy manana olana amin’iza na iza izy ireo fa mampisaina ny tsirairay mba hipetraka amin’ny iraka tena andrasan’ny vahoaka aminy fa tsy ibahan-toerana ny fiarovan-tseza. “Andrim­panjakana sa lapan’ny tombotsoa manokana ny ao Tsimbazaza”, hoy izy ireo namarana ny fanambarana.

J.C

Partager sur: