FANTINA sy FINTINA

Mitaky ny hananganana ny « Fahefana avo ho an’ny Fanavaozana – HAR », ny antoko Kintana, araka ny nambaran’i Christian Tabera, ny asabotsy teo. Niantso ny filoham-panjakana ny tenany mba handrava ireo Andrimpanjakana. Anisan’izany ny Antenimieram­pi­renena. « Tsy azo antoka intsony ny satan’ireo depiote ka soloina rafitra vaovao », hoy izy.

Nanolotra vola 20 tap Ar ho an’ny mpino eo anivon’ny fiangonana Vahao ny oloko, ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny ny asabotsy teo. Nambarany fa tsy tokony hisy ny fiantsoana hoe fiangonana « Secte ». « Mitovy avokoa rehefa fiangonana », hoy izy. Voaasa tamin’izany koa ny pasitera Mailhol.

Nahitsy ny MFM Antananarivo nilaza fa manjaka ny fitiavan-tsezan’ireo depiote ary potika ny firenena, manoloana ny fijoroan’ny Vovonana manohana ny fanavaozana (VMF), ahitana depiote hatrany amin’ny 80. « Tsy manana ny maha izy azy fa tanalahy avokoa. Izao no zava-misy rehefa tsy nianatra politika », hoy izy ireo.

Mitohy hatrany ny hetsika sosialy tanterahan’ny antoko MMM, amin’ny alalan’ny Vehivavy malagasy miara-miainga (VMMM). Anisan’izany ny fivarotana fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary. Ho eny Soamanandray izy ireo ny 19 aogositra izao. Hitohy eny Ambatofotsy izany ny ampitson’io ary ny 22 aogositra kosa, eny Tanjombato.

Partager sur: