Fiaraha-miasa: Mizara traikefa amin’ny tafika malagasy ny Indianina

Matotra ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Inde, araka ny lahatenin’ny mpirakidraharaha, mpisolo toerana eo anivon’ny masoivoho Indianina, Mohit Kumar. Ni­voitra izany tamin’ny lahateniny tamin’ny fanamarihana ny faha-80 taonan’ny Faha­leovan­tenan’i Inde, nanao teny Marais Masay sy tetsy Ankorondrano ny sabosy teo. Notanisainy tamin’izany ny fanohanan’ity firenena ity an’i Madagasikara. «Ao anatin’izany ny fiaraha-miasa ara-miaramila ka hanofanana sy hampitana traikefa amin’ny tafika malagasy eo amin’ny teny anglisy sy ny teknolojia…», hoy izy. Notsiahi­viny koa fa nanome vary 5 000 t ho fiatrehana ny haintany sy ny rivodoza izy ireo. Ny fanofanana sy fanamafisana fahaiza-manaon’ireo mpiasam-panjakana malagasy nalefa tany Inde. Ny fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny fahasalamana sy ny fambolena. Eo koa ny angovo nohavaozina ary koa ny fanomezana vatsim-pianarana ireo tanora malagasy, mankany Inde.
Nohamafisiny fa mifototra amin’ny fitoniana sy fandriampahalemana ary ny fiarovana ny fahamarinana ny politikan’i Inde eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena. «Mandala ny fotokevittry ny firaisankina sy ny firahalahiana izahay», hoy izy.
Etsy andaniny, nanambara ny minisitry ny fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo, nisolo tena ny fitondram-panjakana fa hanokatra pejy vaovao amin’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta izao faha-80 taonan’ny Fahaleovantenan’i Inde izao.

Synèse R.

Partager sur: