Tontosa ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny FLM Ambovombe Androy, ny fametrahana fihavanana teo amin’ny filohan’ny Fanavaozana sy ny solombavambahoakan’Ambovombe.
Nametra-pihavanana tamin’ny Solombavambahoakan’Ambovombe, Milavonjy Andriasy Philobert, ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kolonely Randrianirina Michaël. Nisy ny fotoam-pivavahana nisaorana an’Andriamanitra noho ny fiverenan’ny fihavanana teo amin’izy ireo, natao tao amin’ny Katedraly FLM Ambovombe Androy, ny sabotsy 15 aogositra lasa teo. Efa nihaona tao amin’ny sakristian’ny fiangonana izay notarian’ny filohan’ny Synodam-paritany Ambovombe Androy, nialoha ny fotoam-pivavahana.
Natao ho ohatra ho an’i Madagasikara ny natao nandritra io fotoana io ary nilaza ny Kolonely Randrianirina Michaël, fa na samy hafa firehana aza dia afaka mihavana. Tsy misy faritra na firenena handroso ao anaty fifanenjehana, raha ny nambarany ary nanentana izy ny hialana amin’ny fahazaran-dratsy rehefa mahazo fahefana. “Aza miandry malemy sy tsy manana fahefana intsony vao mifamela”, hoy hatrany ny fanazavan’ny filohan’ny Fanavaozana.
Nifamela ihany koa ireo solombavambahoaka roa
Nifamela nandritra ity fotoam-pivavahana ity ihany koa ny solombavambahoakan’ Ambovombe teo aloha, i Henri Jean Michel ,sy ny solombavambahoaka ankehitriny, i Milavonjy Andriasy Philobert. Nanotrona tany an-toerana, ny vadin’ny filohan’ny Fanavaozana, Randrianirina Elisa sy ireo mpikambana maromaro eo anivon’ny governemanta, notarihan’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana. Nanolotra omby folo ho fanatanterahana ny fihavanana sy nofon-kena mitam-pihavanana ny filohan’ny Fanavaozana.
Mi.Raz




