Durban, Afrika Atsimo : Nahatsiaro ny filoha Olivier R.Tambo ny Filohan’ny Fanavaozana

Feno ny fandaharam-potoan’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, nandritra ny fiatrehany ny fihaonana an-tampon’ny SADC, ny herinandro teo.

Tafiditra ao anatin’ny dian’­ny filohan’ny Fana­vao­­zana, ny kolonely Ran­dri­a­nirina Michaël, tany Durban, ny fametrahana fehezam-boninkazo ho fahatsiarovana sy fanomezam-bonina­hitra ny filoha Olivier Reginald Tambo tao eThekwini, ao KawaZulu-Natal. Mpitondra ambony sy mpitantana ny ANC (African National Con­gress), anisan’ny niady mafy tamin’ny fanoherana ny fanavakavaham-bolonkoditra tao Afrika Atsimo, ity filoha ity. Anisan’ny nitondra anjara bi­riky lehibe izy ka nahatonga an’i Afrika Atsimo ho amin’ izao toerana misy azy izao. Nanamarika azy ny « A Nation in The Making », kabary ma­laza indrindra nataony ary maro ny toerana nomena ny anarany any Afrika Atsimo, an­kehitriny, toy ny « O.R Tambo International Airport » any Johannesburg, seranam-piaramanidina lehibe indrindra eto Afrika. Anisan’ny nametraka ny fototra nahatonga an’i Mandela ho filoha voalohany mainty hoditra ihany koa i Olivier Reginald Tambo, tany amin’ny taona 1994.

Lalana Antananarivo – Toamasina
Etsy andaniny, nihaona tamin’ny filohan’ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana aty Afrika, Abdullah Kh. Almusaibeeh ny Filoham-panjakana, ny alahady teo.
Voaresaka ny momba ny tetikasa ho an’ny lalana mampitohy an’i Toamasina sy Ma­roantsetra. Eo koa ny ampahany amin’ny asa, ny “voie rapide” mampitohy an’Antana­narivo sy ny Toama­sina ary ny ampahany amin’ny RN1 Bis. Efa eo am-pandinihana koa ny tetikasa fanamboarana ny zotra an-dalamby FCE, mampitohy an’i Fiana­rantsoa sy i Manakara.

Mi.Raz

Partager sur: