FANTINA sy FINTINA

Vonona ho amin’ny fananganana tanàna vaovao ry zareo Ejypsianina. Noraisin’ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny raharahan-tany , ny Jly Lily­son René de Rolland, tetsy Anosy, ny masoivohon’i Ejypta, Rabab Said Abdou Abdelhadi. Voaresaka fa hiantoka ny vola sy ny fanatanterahana ireo hanao ny tetikasa ka tsy hisy ny fangatahana famatsiam-bola.
Tsy mankasitraka ny fanendrena ny sefo fokontany ny ao amin’ny fokontany Andranovelona, kaominina Mahitsy. Nitaky ny hanaovana fifidianana eny ifotony ireo mponina ao amin’ity fokontany ity. Tsiahivina fa efa nitsipaka ny nanendrena ny sefo fokontany tahaka izao koa ny ao Ampanotokana, Mahitsy.
Mitohy ny fameloma-maso ny antoko Tim. Nihaona tamin’ireo mpikatroka any Taolagnaro amin’ ity antoko ity, ny herinandro teo, ny mpandrindra nasionaly, i Williamson. Voaresaka, tamin’izany, ny fanomezana aina vaovao ny antoko sy ny Tim hiatrehina ny hoavy. Nifampizarana koa ny toe-draharaha politika.
Manana anjara toerana ny diplaomasia parlemantera amin’ny fanamafisana ny fifandraisana eo amin’i Japon sy i Madagasikara. Nivoitra izany tamin’ ny fihaonana teo amin’ny ambasadaoro, Tojima Hitoshi, sy nydepiote Rabenirina Mamy, filohan’ny vondrom-pifankatiavana parlemantera eny Tsimba­zaza, ny herinandro teo.

Partager sur: