Nandray ny filohan’ny Vaomieran’ny raharaham-bahiny ao amin’ny Antenimierampirenena frantsay, Bruno Fuchs, ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra. Manohana ny fizotry ny fifidianana i Frantsa, indrindra amin’ny alalan’ny fandraisany anjara ao anatin’ny “Basket Fund”. “Manohana koa ny fizotry ny fikaonandoham-pirenena izahay”, hoy izy. Nohazavain’ny minisitra tamin’izany kosa ny vinan’ny Fanavaozana. Anisan’izany ny fikaonandoham-pirenena sy ny fanavaozana ny rafi-pifidianana ary ny ady amin’ ny kolikoly. Hatsangana ny rafitra atao hoe “Gardien des acquis de la réfondation. “Hiaro sy hanara-maso ny fanatanterahana ireo tolokevitra sy vokatry ny fanavaozana izany, hiantohana fa tsy ho very ireo soatoavina azo”, hoy ny minisitra misahana ny Fanavaozana, tamin’izao fihaonana izao.
Synèse R.




