Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny antoko RPSD. Nambaran’ny filoha nasionaly, Andriantsizehena Benja Urbain, fa manohana tanteraka izao fitondrana izao izy ireo. « Ankasitrahinay ny ezaka tanterahin’ny Fanavaozana ny Repoblika, tarihin’ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël. Tohananay ny firosoana ho any amin’ny dinika politika ho fikaroham-bahaolana eto amin’ny firenena », hoy izy. Notsiahiviny fa olana ara-tsosialy no nisy teto Madagasikara, ny taona 2025. Nitarika izany ny Gen Z sy ireo miaramilan’ny Capsat nanohy ny tolona nataon’ny mpanao politika maro tany aloha. « Nivadika olana politka izany ka tsy maintsy mitady vahaolana politika isika », raha ny nambarany. Nanteriny fa tokony hojerena koa ny lalàna mifehy ny fanaovana politika. « Tafiditra ao anatin’izany ny momba ireo antoko efa nisedra fifidianana sy sahy niatrika izany », hoy ny fanamafisany.
Notsindriny fa efa nanana vondrona parlemantera ny RPSD na koa niaraka amin’ny vondrona antoko teo anivon’ ny Antenimierampirenena, tamin’ny fotoan’androny. Nanomboka ny taona 1993-1998-2003-2010-2013. « Mbola miaina sy velona ny antoko amin’izao fotoana izao », hoy ny filoha nasionaly, Bebein.
Anisan’ireo antoko politika nanao sonia fifanarahana nokarakarain’ny Kaomity ho an’ny fanavaozana ifotony (Kfim), ny 16 janoary teo, tao Mahamasina, ny RPSD, tamin’ny alalan’ny filoha nasionaly.
Synèse R.




