Fikaroham-bahaolana : Mitaky ny hanafainganana ny fikaonandoha i Fetison

Naneho ny heviny manoloana ny toe-draharaham-pirenena ny filoha nasionalin’ny antoko Roso ho an’ny de­mokra­sia sy sosialy (RDS), Andrianirina Fetison. Nankasi­tra­hiny ny ezaka fampihavanana sy ireo asa fampandrosoana tsara notohizana sy efa natomboka. Nametraka fitakiana anefa ny tenany. «To­kony hiroso haingana koa ny dingana manaraka, indrindra ny fikaonandoham-pirenena karakarain’ny FFKM. Mandro­so ny fotoana ary tsy tokony ho very fotsiny ny fahafahana ananantsika», hoy izy. Nohi­tsiny fa tsy to­kony hiandry krizy vaovao vao hamaha ny olana taloha. Fo­toana izao hanaovana izany, miaraka, amim-pahendrena ary tsy misy Malagasy havela any ive­lany raha tena te hanorina Madagasikara vaovao isika, araka ny nambarany.
Notsiahiviny fa tsara ny he­tsika fampihavanana atao amin’izao fotoana izao. Din­gana iray ilaina izany. «Tsy afaka ma­­norina ny hoavin’i Madaga­si­kara isika raha mbola mizarazara sy mifampiahiahy ny samy Malagasy. Fanombohana ihany anefa ireny », hoy ihany izy.
Notsindriny fa tsara koa raha hararaotina izao fotoana izao mba hamahana ireo olana fototra nampikatso ny firenena nandritra ny taona maro. Nambarany fa tsy ny fifanilihana politika ihany no olana eto. «Mila hatsaraina koa ny fomba fitantanana ny firenena: fitantanana mahomby, mangarahara, tomponandraikitra ary azo arahi-maso», hoy izy.
Izany no mahatonga ny fifampiresahana politika sy ny fanavaozana tsy tokony hampifanohitra. Mifameno izy ireny. «Mamaha ny disadisa sy mampiverina ny fifampitokisana ny dinika politika ary manarina ny rafitra sy ny fom­ba itantanana ny firenena mba tsy hiverenan’ireo olana ireo intsony ny fanavaozana», araka ny nambarany.

Synèse R.

Partager sur: