Antenimierampirenena : Notsidihin’ny delegasionina frantsay

Nanatanteraka fitsidi­hana ara-pomba fifanajana teny amin’ny An­tenimierampirenena, Tsimba­zaza, ny delegasionin’ny An­teni­mierampirenena frantsay, notarihan’ny filohan’ny vaomieran’ny raharaham-bahiny,
i Bruno Fuchs, afakomaly. Niara-dalana taminy ny mpanolotsaina ara-diplaomatika sy ny tomponandraikitra am­bony ao amin’ny Masoivoho frantsay eto Madagasikara. Ny fifandraisan’i Madagasi­kara sy i Frantsa no tena niompanan’ny fihaonana.
Nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Ran­dri­ana­soloniaiko Siteny, fa misokatra amin’ny fifandrai­sana rehetra ary tsy mitsipaka velively an’i Lafrantsa i Mada­gasikara. Nohamafisiny fa tsy miala amin’ny lalàmpanore­nana ny Antenimierampire­nena. Nivoitra tao anatin’ny dinika ihany koa ny fanafoanana ny « monopole » amin’ny lafiny rehetra mba hahafahan’ ny rehetra manasoa sy mampandroso an’i Madagasikara. Anisan’ny noresahina koa ny firosoana amin’ny fifidianana, izay laharam-pahamehana, ary ny mba hangarahara sy haneken’ny rehetra izany.
Manampy izany ny firosoana amin’ny famahana ny olana ara-tsosialy, efa maro ny asa natomboka, toy ny fanamboarana fotodrafitrasa. Anisan’­ izany ny famatsiana rano fisotro madio.
Andrasana ny fidiran’i Lafrantsa eo amin’ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola momba my harena an-kibon’ny tany. Vonona ha­nampy sy hhara-miasa amin’i Madagasikara ny firenena frantsay.

Mi.Raz

Partager sur: