Fitaterana : Ho hentitra ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana

Ialohavan’ny fanentanana ny sazy, araka ny fanamba­rana sy fampahafantarana. Nampitovy tadin-dokanga eo amin’ny fanajana ny lalàn’ny fitaterana sy ny fifamoivoizana ireo tomponandraikitra misa­hana izany. Handray fepetra hentitra ny minisiteran’ny Fitaterana sy ireo rantsamangaikany, ahitana ny avy amin’ ny Antokondraharaha momba ny fitaterana an-tanety sy ny avy amin’ny DSPAR. Mana­mpy azy ireo ny mpitandro filaminana misehatra eo amin’ ny lafiny fifamoivoizana. Ahi­tana ny Prefektiora, ny polisy, ny zandary, ny mpitsara fiarakodia ary ny eo anivon’ny kaominina izany. Na izany aza, mbola ho avy ny hetsika fa­nentanana sy fampahafantarana faobe ataon’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eny amin’ny arabe rehetra eny. Eo koa ny amin’ny alàlan’ny haino vaky jery isan-tsokajiny. Ani­san’ny entanina amin’izany ny momba ny fitaratra miloko mainty “Vitre fumée” sy ireo taxi-be mpihodina an-dalana. Eo koa ny jiro “Led”. « Hampi­harina avy hatrany, tsy misy fepetra intsony ireo lalàna manan-kery aorian’izany he­tsika fanentanana sy fampahafantarana izany », hoy ny fanambarana. Voatsiahy amin’izany ny volavolan-dalàna sy volavolam-panitsiana ireo sa­zy ara-bola sy ara-pangejana ny fiara mandika lalàna rehetra. « Hampahafantarina am­pa­hibemaso ireo lalàna ireo amin’ny fotoana hampiharana azy », hoy hatrany ny fanambarana.

Synèse R.

Partager sur: