Tetikasa fampidirana rano madio fisotro : Tokantrano 10 000 hisitraka izany ho an’ny dingana voalohany

Tafiditra amin’ny fanamarihana ny faha-50 taonan’ny orinasa Jirama ny famatsiana rano amin’ny sarany mora. Laharam-pahamehana ireo toerana marefo ka amin’ny vidiny mirary 30 000 Ar ny fametrahana ny kojakoja rehetra ilaina. Ahitana compteur, fantsona, robinet.

Nanatanteraka fidinana teny amin’ny fokontany Tanjombato Iraitsimi­vaky sy Ankorondrano, ny faran’ny herinandro teo, ireo tomponandraikitra sy teknisianina. Ao anatin’ny fanatanterahana ny Fandaharanasa fampidirana rano madio fisotro an-tokantrano amin’ny sarany mirary miaraka amin’ny tetikasa PAAEP izany.
Tanjona ny hampahalala sy hanentana ireo mponina mba hahafahany mahafantatra ireo fepetra teknika sy ireo dingana arahina. Araka izany, nisy ny fifanakalozana teo amin’ireo vahoaka sy ireo tompon’andraikitra ka nahazoana nanome fanazavana tamin’ny antsipiriany.
Aorian’izao, hisy ny mpanao fanadihadiana eny ani­von’ny fokontany voakasika hahafahana mamantatra ireo tokantrano mahafeno ny fepetra teknika ka hanarahin’izy ireo ny dingana samihafa. Hampahafantarina amin’ny alalan’ny serasera ofisialy ireo tokantrano voafantina rehefa vita io dingana io.
Amin’ity dingana voalo­hany ity, fokontany 10 eto An­tananarivo sy ny manodidina no hahazo izany : Ankadin­dratombo, Manarintsoa Atsi­nanana,Antetezanafovoany I, Faliarivo Ambanidia, Angaran­garana, Anosibe Andrefana I, Ankerana Ankadindramamy, Anosivavaka Ambohima­na­rina.
Eo ambany fiahian’ny mi­nisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola sy ny minisiteran’ny Rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana ny tetikasa PAAEP. Vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Mbola tafiditra ihany koa amin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny orinasa Jirama izany. Ha­haritra sivy volana ary hikendry ny hampisitraka rano fisotro madio amin’ny tokantrano miisa 10 000, amin’ny fokontany 10 eto Antananarivo sy ny manodidina ity dingana voalohany ity.

Vonjy

Partager sur: