Bakalorea antananarivo 2026 : Niakatra ho 51,74 % ny taham-pahafahana

Niakatra 4, 25% ny taham-pahafahana fanadinana bakalorea ho an’Antananarivo raha mitaha amin’ny vokatra ny taona 2025, araka ny fanambaran’ny filohan’ny Oniversi­ten’Antananarivo, Pr Randria­nasolo Rivoarison, ny faran’ny herinandro teo. 51, 74,% ny taham-pahafahana ankapo­beny ; 69,66% ho an’ny fampianarana teknika. Ny sokajy L : 70,92%, manana ny taha ambony indrindra. Ny sokajy A2 kosa no nahazo ny taha ambany indrindra, 43,86%.
Ho an’ny sokajy C: 69,75%, OSE : 67,07%; A1: 54,61%, S: 53,24% ary ny sokajy D ma­nana taha 51,50%, 32 078 ireo nahazo ny mari-pahai­zana bakalorea ho an’ity taona ity, raha 61 997 no nisoratra anarana hiadina. Napetraka teny amin’ny foibem-panadinana ny anaran’ireo afaka rehetra, ny faran’ny herinandro teo.
31 no voasazy hiakatra con­seil de disipline (Codis) nandritra ny fanatanterahana ny fanadinana, fepetra noraisina hanaporofoina fa madio ny fanadinana bakalorea eto Antananarivo.
“Hisokatra ny oniversite eto Antananarivo ho an’ireo mpiadina afaka ka maniry ny hanohy fianarana ambony. Hisy ny Salon de l’étudiant ny 3 sy 4 septambra ho avy izao, eny Ankatso, hampahafan­tarana ireo lalam-piofanana samihafa azon’ny tanora hisafidianana ho an’ny taom-pia­narana vaovao”, hoy ny filohan’ny oniversite.

Vonjy

Partager sur: