Baolina kitra – Amboaran’ny CAF: nindram-bola handehanana any Zambia ny FC Rouge

Na dia ao anaty fahasahiranana aza ny klioba FC Rouge, fantatra fa anio izy ireo no hanainga eto an-tanindrazana, hihazo an’i Zambia. Mbola tsy misy tokotaniny kosa ny fihaonana miverina.

Hiala eto an-tanindra­zana, etsy Ivato, anio folakandro, hihazo an’i Ndola Zambia, ny delega­sionin’­ny FC Rouge, hiatrika ny lalao mandroson’ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ ireo klioba, “Coupe de la Con­fédération Caf”.
Raha ny fanazavana na­taon’ny filohan’ity klioba ity, omaly, tetsy Betongolo, nindram-bola handehanana any Zambia ny ekipan’izy ireo.
“Mbola mipetraka hatrany ilay fahasahiranana, ary efa hitantsika eny amin’ireny serasera sy gazety ireny ny fandaniana amin’ilay resaka fandehanana tahaka izao. Mbola manentana an’ireo olona ma­lala-tanana sy ny fitondram-panjakana mahefa mba ha­nampy anay. Nisy ireo olona nanaiky nampindram-bola, izay nahazoana ny tapakila mandroso sy miverina ka nanaiky nanaovana antoka sy fifanarahana”, hoy ny filohan’ ny Klioba, Rakotondramiara Hasina. Nomarihiny fa efa mahatratra 467 tapitrisa Ariary mahery eo ny fandaniana, eo amin’ny resaka fiantranoana sy fandehanana amin’io any Zambia io.

“Tsy misy tokotaniny…!”

Mbola misendra olana koa nefa ny klioba FC Rouge amin’­ny fifanandrinana miverina izay hatao atsy Maurice, ny 13 septambra ho avy izao. “Tsy mbola misy tokotaniny ny fihaonana miverina. Hisao­rana ny Federa­siona maorisianina nanaiky ny hikarakara an’ilay lalao any an-toerana. Mano­didina ny 15 000 dolara na 70 tapitrisa Ariary ny vola ilain’ny maorisianina amin’izany.” hoy hatrany ny filohan’ny klioba FC Rouge.
Ankoatra izay, mbola sa­hanin’ny klioba koa ny saran’ ny tapakilan’ny mpitsara ny lalao sy ny hotely hipetrahan’ izy ireo any an-toerana.
Mbola manantena moa ity klioba hiaro ny voninahi-pirenena malagasy ity fa hihaona amin’ny filohan’ny Fana­vao­zana ny Repoblika, ny kolo­nely Randrianirina Mi­chaël, mialoha ny handehanan’izy ireo any Afrika.

Fitia Randria

Partager sur: