Fiainam-piarahamonina: mahazo tsiny ny fanabeazana sy ny kolo saina

Vono olona atsy, fakana an-keriny aroa. Sorona? Fa misy inona?… Mikorontana ny fiainam-piarahamonin’ny Mala­gasy. Firenena voaozona? Misy mamboly horohoro? Voakitika ny tontolon’ny fanabeazana sy ny kolontsaina.

Tsy voahaja intsony ny soatoavina. Nanjary mora sy tsotra amin’ny Mala­gasy ny mandatsaka aina, sns. Mikorontana ny fiainam-piarahamonina malagasy. Mahazo tsiny ny fanabeazana. Tsy naha­vita ny adidiny ny ray aman-dreny, ny mpampianatra, ny mpitondra sy ny mpitantana isan-tsokajiny? Raha ny tranga misy, eny, tsy efan’ireo lazaina ho mpanabe ireo ny adidiny. Mifampiankina amin’izay, mahazo tsiny mavesatra ihany koa ny tontolon’ny kolo saina, kolo fanahy, fomba amam-panao, sns. Tsy manana ampahana fahalalana kely monja momba ireny intsony ny Malagasy? Eny, satria, raha fantany fa aza ny lohasaha mangina no jerena fa Zanahary an-tampon’ny loha, tsy nisy ireo tranga mampivarahontsana ny Malagasy. Mitady hivarina sy ho tonga any amin’ireo tranga tsy niainan’ny Malagasy fahiny tany ambadik’Imanareza ny fiarahamonina ankehitriny. Misa­vorovoro eo anoloan’ny Mala­gasy ny zava-drehetra, satria, maro loatra ireo « zavatra » na­nanany no very, takona, simba, novaina, nodisoina, sns.

Tsara ny miainga any amin’ny fototra, saingy…

Tsy ampy raha miasa irery ny ray aman-dreny. Be loatra ireo fakofakon-javatra tsy sahaza ny kolo saina sy kolo fanahy ary soatoavina malagasy, tonga tsara toerana sy mitady hifaka eo amin’ny Malagasy tsirairay. Noho izany, mitaky fifarimbo­nan’ny mpanabe ny manitsy izany. Ny tsy vitan’ny ray aman-dreny, hatrehin’ny mpampianatra. Ny tsy tafita any an-tsekoly, harenina any anatin’ireo sehatra samy hafa (fikambanana, ivontoerana, sns).
Hiverenana ireo fomba nentin’ny Malagasy nanabe sy na­nanatra ny zanany. Ampidirina any anatin’ny fandaharam-pianarana ny taranja fanabeazana ho tonga olom-banona sy ny fampahafantarana ireo soatoavina malagasy. Mila fitandrelana fatratra, anefa, ny fanatanterahana izany mba tsy vao mainka hampidi-kizo ny taranaka.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: