Samy nisehoana haintrano tao amin’ny distrikan’i Mahanoro sy Farafangana. Fianakaviana maro no rava trano fonenana iray manontolo sy ny kojakoja an-tokantrano rehetra. Nitondra fanampiana ho amin’ny fiarenana ny BNGRC .
Trano 309 tafo may kilan’ny afo ny alin’ny 23 aogositra lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora alina, tao amin’ny fokontany Sahafanaloka, kaomina Ambinanindrano, distrikan’i Mahanoro. Vokany, fianakaviana 275, misy olona 1 093, no tra-doza tao anatin’ny indray mipi-maso.
Vao naharay ny tatitra avy any an-toerana ny fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny BNGRC sy ny minisiteran’ny Mponina, avy hatrany dia nidina tany an-toerana nitondra ny fanampiana, hahafahan’ireo fianakaviana may trano ireo miarina haingana.
Nivimbina fanampiana 5 taonina mahery, nahitana vary milanja 3 438 kg, voamaina 688 kg, zinga 275 isa, siny 175 isa, koveta 100 isa, miampy savony 45 baoritra sy sira vovony 55 fonosana izany. Ny minisiteran’ny Mponina kosa nanome tafo fanitso 300 isa hoentina manarina ny trano rotiky ny afo.
Naterin’ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny tandidon-doza sy ny loza (BNGRC) mivantana tany an-toerana ny fanampiana ary nozaraina mivantana amin’ny anaran’ny mangarahara.
Mbola voina vokatry ny haintrano ihany, fa tany amin’ ny distrikan’i Farafangana indray. Tontosa soamantsara ny fizarana ireo fanampiana ho an’ireo tokantrano 48 izay niharan’ny haintrano tao amin’ny fokontanin’i Mahafasa, distrikan’i Farafangana. Tonga tany an-toerana ny ekipan’ny BNGRC, nitondra vary 600 kg, voamaina 120 kg ary menaka
48 litatra. Vantany vao tonga ireto fanampiana ireto dia nozaraina am-pahibemaso nanoloana ireo solontenam-panjakana any an-toerana. Nahitana ny sekretera jeneralin’ny Faritra Atsimo Atsinanana, ny talen’ny minisiteran’ ny Mponina sy ny firaisankina Atsimo Atsinanana, ny ben’ny Tanànan’i Mahafasa Centre ary ny talen’ny EPP Mahafasa izy ireo.
Samy nanindry ny tokony hitandreman’ny rehetra hatrany amin’ny afo ny mpitsidika, “satria tsy milaza ny loza ary vanim-potoana mampirongatra ny afo izao”, hoy ireo nandray fitenenana.
Vonjy




