“Course de côte”: hiditra amin’ny dingana fahefatra

Hotanterahina ny sabotsy 5 septambra ho avy izao, eny amin’ny SRK Imerintsiatosika, ny “Course de côte asphalte” sy ny andiany voalohany amin’ny “Slalom asphalte”. Fifani­nanana karakarain’ny klioba TMF. Manaraka ny fepetra iraisam-pirenena sy ny fitsipiky ny Fédérasion sport-automobile Madagascar (FSAM), ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2026 izany. Hanana ny lanjany ity fifaninanana ity satria tafiditra ao anatin’ny fifaninanam-pirenena ary manana ny lanjanisa 1.
Hisantatra ny fihaonana ny fizahana sy ny famantarana ny lalana hodiavina, izay hatao an-tongotra. Aorian’izay, hisy ny andrana tsotra, arahin’ny andrana hakana ny fe-potoan’ny mpanamory hifaninana. Hatao amin’ny “piste” roa, A sy B, izany ho an’ny fiara ary ny an’ny Cross-Car kosa dia arakaraka ny fisoratana anarana no handehanana voalohany. Rehefa vita izany vao miditra amin’ny tena hazakazaka ka tanterahina aloha ny dingana voalohany, arahin’ny dingana faharoa sy fahatelo. Mivoaka ho mpandresy izay manana fe-potoana tsara indrindra.

Tompondaka

Partager sur: