Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany (World championships 2026), amin’ny taranja billiard, ny Malagasy afaka iray volana. Fihaonana hatao any Cape Town, Afrika Atsimo. Firenena maherin’ny 40, avy amin’ny kaontinanta dimy, no hiady ny lohany amin’izany.
Hotanterahina ao Bellville, Velodrome Cape Town, Afrika Atsimo, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany (World championships 2026) amin’ny taranja billiard. Hanomboka ny 23 oktobra ka hatramin’ny
1 novambra izany, izay karakarain’ny International Blackball Federation (IBF).
Ankoatra an’i Afrika Atsimo, mpampiantrano, anisan’ireo handray anjara i Madagasikara. Tsy vao izao akory ny Malagasy no hiatrika izany fa efa nanana solontena tany Malte, ny taona 2024. Maro ireo firenena andrarezina ho tonga ao Cape Town amin’ity fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ity. Hanana solontena betsaka indrindra amin’izany ny avy any Eoropa. Anisan’izany i France, Espagne, Italie, Allemagne, Angleterre, Pays-Bas, Suède, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo. Hanana solontena ihany koa i Asie, izay manana mpilalao kalaza toa an’i Viet-Nam izay efa indroa nandrombaka ny medaly volamena teo amin’ny isan-tarika. Tsy ho diso anjara amin’ity koa ny kaontinanta afrikanina, izay vao nahavita ny fiadiana ny ho tompondaka ny fiandohan’ny taona. Hifaninana amin’izany i Egypte, Tanzanie, Kenya, Zimbabwe, Ouganda sy ireo firenena magrebianina hafa. Hisy mpifaninana koa ry zareo avy any Amerika.
Fifaninanana ho an’ny lahy sy vavy ity hatrehina ity izay hisy sokajin-taona maro. Eo ny U15, ny U18 sy ny U23. Ankoatra izay, hisy koa ny “senior” sy ny “Masters” ary ny “Grandmasters”. Lalao ho an’olon-tokana sy olon-droa ary ny isan-tarika no hifaninanana amin’ity fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ity. Marihina fa misy fifaninanana mifanindran-dalana amin’ ity ihany koa hatao any Angleterre, karakarain’ny World Pool-Billiard Association (WPA).
Tompondaka




