Fondation Axian: ankizy sahirana 400 nizarana kits scolaire

Nahatsiaro ireo ankizy zanaky ny fianakaviana sahirana mianatra sy beazina etsy amin’ny
Fifanampiana Centre Ra­ssoul Akram (FCRA) Ankazo­manga ny Fondation Axian, omaly. Ankizy 400 ao an-toerana sy any Manakara no hisitraka kojakojam-pianarana amin’izao ankatoky ny fidiran’ ny mpianatra izao.
« Hanamaivanana ny fa­hasahiranan’ny ray aman-dreny amin’izao fidiran’ny mpianatra izao ny tohana », hoy ny fanazavana nentin-dRavelonjato Claudia, tomponandraikitra ao amin’ny Axian.
Hitohy amin’ireo sekoly mpiara-miasa hafa ny hetsika fizarana amin’ity herinandro manontolo ity, raha ny fanazavana hatrany. Anatin’izany ireo akany mitaiza zaza kamboty sy sahirana. Miasa amin’ ny sehatry ny fanabeazana mihitsy ny Axian ary efa se­koly 420 no tafatsangana sy nanaovana fanavaozana goavana manerana ny Nosy. Mitohy ny asa sosialy fanohanana ireo sokajin’olona marefo sy ireo fikambanana mijoro amin’ny fiahiana ny sahirana.
Ho an’ny Fifanampiana Centre Rassoul Akram, « ma­robe ireo zanaky ny fianakaviana eny amin’ny manodidina no mianatra ao an-toerana », hoy Rakotoarivony Haingo, mpandrindra ny FCRA. Misy ihany koa ireo kilasimandry mihitsy. Vao nisokatra tamin’ ity taona ity ny FCRA any Nosy Be sy Antsiranana.

Tatiana A

Partager sur: