Hotontosaina eny amin’ny Complèxe sportif Vontovorona, ny 29 septambra hatramin’ny 4 oktobra ho avy izao ny fifanintsanana eo amin’ny taranja handball, « IHF Trophy », ho an’ny faritra fahafito, sokajy vehivavy « Séniors ». Ankoatra an’i Madagasikara mampiantrano, miisa dimy ireo nosy hifanintsana amin’ izany. Anisan’izany i La Réunion, Mayotte, Comores, Maurice ary i Seychelles.
Efa ao anatin’ny fanomanana ny ekipa nasionaly handrafitra ny Akion’i Madagasikara ny Federasionina malagasy amin’izao fotoana izao. Efa mandeha ny fitiliana ireo mpilalao mandritra ny fifaninanana nasionaly izay tontosaina eto an-dRenivohitra, hatramin’ny 9 septambra ho avy izao. Izay tafavoaka amin’ ity fifanintsanana faritra fahafito ity no hiatrika ny fihaonana kaontinantaly.
Ankoatra izay, afaka roa andro, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy “juniors”, lehilahy, hatao any Côte d’Ivoire, ny 5-12 septambra ho avy izao, ny Akio. Tsiahivina fa firenena efa voky traikefa avokoa ny iray vondrona amin’ny Malagasy. Ahitana an’ i Algerie, Angola ary i Nigeria.
Fitia Randria




