Filoha Randrianirina Michaël: « Hisy ny fihaonana amin’ny filoha frantsay »

“Mety hisy ny fihaonana amin’ny filoha frantsay, Em­manuel Macron, anio. Any hita izay hifampiresahana…”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Fa­navaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, teny Ivato, omaly. Ny amin’ny dian’ny delegasionina malagasy tarihiny handray anjara amin’ny fihaonana an-tampony iraisam-pirenena momba ny tontolon’ny habakabaka hatao any Paris, Frantsa, omaly sy anio, izany. Be dia be ny fihaonana manokana hifampiresahana. Na amin’ny Frantsay izay, na amin-dry zareo any Belzika, na ny Vondrona eoropeanina. Tsy maintsy ho voaresaka amin’ny fihaonana manokana amin’ny filoha frantsay ny tetikasa famatsiana herinaratra Volobe. Hihao­na amin-dry zareo Belzika izy, anio tolakandro.
Aorian’izay, ny fihaonana amin’ny filoha lefitry ny Von­drona eoropeanina, araka ny fampitam-baovaon’ny eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavao­zana. Be dia be ny zavatra tsy maintsy hifampiresahana amin’ny Vondrona eoropeanina, anisan’ny mpamatsy vola an’i Madagasikara ary vola tsy averina ny ankamaroany. Izay no tokony ho fantatra amin’izay mety ho fiaraha-miasa. Mialoha ny fanatanterahana fifidianana hatao ato ho ato, tsy maintsy hifampiresahana amin-dry zareo koa izay.
“Manana fanantenana ho an’ny firenena isika”, hoy kosa izy ny amin’ny fihaonana an-tampony momba ny tontolon’ny habakabaka. Nasaina i Madagasikara dia tsy mandà. Manana fanantenana i Mada­gasikara fa hampiasa an’izay tontolon’ny habakabaka izay tsy ho ela. Maro ny manampahaizana : ireo tanora… Maro­maro koa ny fiaraha-miasa momba ny tontolon’ny habakabaka voaresaka tato ho ato. Misy efa natomboka… Inoana fa hahitan’i Madagasikara vokatsoa ny fanatrehana ny fihaonana an-tampony.

R. Nd.

Partager sur: