Notolorana ny mariboninahitry ny kanto i Nônô. Ny « Commandeur de l’ordre des arts, des lettres et de la culture » izay fara-tampony amin’izany no nomen’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Mandrindrarivony O’gascar Fenosoa an’ity andrarezin’ny kanto ity, omaly tolakandro.
Hotontosaina etsy amin’ny CGM/GZ Analakely, anio, manomboka amin’ny 10 ora tolakandro, ny atrikasa Slam. Ny fikambanana Madagaslam no mikarakara izany, ka natao ho an’ireo liana te hitrandraka ny talentany, mila tosika sy fanampiana kely avy amin’ireo efa mpisehatra izany.
Namoy mpikambana sady raiamandreny ny tarika Solika. Nodimandry, omaly, Ramiliarison Henri. Tao anatin’ny tontolon’ny zavakanto, indrindra ny kalon’ny fahiny izy, ary efa sekretera jeneralin’ny minisiteran’ ny Zavakanto sy ny fanolokoloana revolisionera tamin’izany fotoana.




