Alinirina Enica: mahavokatra be ny mangahazo atao compost

“Mpisitraka ny tetikasa “Vatsin’ankohonana” efa hatramin’ny taona 2024 aho, renim-pianakaviana mamelona zaza telo. Mamboly sy miompy no tena asako”, hoy i Alinirina Enica.
Tany aloha, voly saritaka ny fomba fambolena ny mangahazo, zara raha misy vokatra. Nampianarina azy ny fomba fambolena “Basket compost” ka tsy mampino ny vokatra tamin’ny mangahazo iray fototra. Mahatratra hatramin’ny 30 kg izany. Tahirin-tsakafo anaty tany rahateo ny voly compost satria izay hohanina ihany no sokirina ao ary mahavita amam-bolana maro ny mangahazo iray fototra, araka ny fanazavany.
Mangahazo no tena foto-tsakafon’ny ankohonany hatrizay. Tao anatin’ny tsy fahalalana tanteraka izy ka tsy mba nahay na dia nandrindra ny sakafon-janany aza, araka ny nolazainy hatrany.
Rehefa nisitraka ny tetikasa “Vatsin’ankohonana”, nahazo fiofanana izy ireo ka nanomboka nahafantatra ny fandanjalanjana ny sakafo ara-pahasalamana, ny fomba fahandro mitondra vokatsoa ho an’ny vatana.
Ankehitriny, rehefa mahandro mangahazo dia ampiarahina amin’ny patsa asiana menaka na afangaro amin’ny coco izany. “Vokatra misy aty aminay avokoa ireo ka tsy mananosarotra mihitsy ny mitady azy”, hoy izy.

Tatiana A

Partager sur: