Tsy nisy nahavita toa azy, hatreto. I Joely no mpampihomehy voalohany nahafeno ny Lapan’ny fanatanjahantena. Izy koa no nahavita nampihomehy mpijery nandritra ny ora telo mahery.
«Marina mafy !». Tena nampiaiky ny rehetra, araka ny anaran’ny fampisehoana nataony mihitsy, raha ny talentan’i Joely. Tena mikoriana anaty rany ny fampihomehezana, ary vavolombelon’izany ireo mpijery mananika ny 7 000 isa, nameno ny Lapan’ ny fanatanjahantena, omaly. Ireo mpijery indray no reraky ny fihomehezana, noho i Joely izay nitana ny sehatra irery nandritra ny ora 2 sy sasany teo ho eo.
Nialoha ny niakarany an-tsehatra, nalefa ny rakitsary misy ireo karazana endrika fitondran’i Joely miantsehatra na anaty « vidéo » hatramin’izay. Hafakely na ny fampidirana aza, tena fampisehoana nifamenoan’ny kilalaon-jiro sy ny traikefany. Toy ny miresaka tsotra i Joely nitantara ny niandohany, fony nanao « vidéo » voalohany tamin’ny andron’ny Covid, sy izy voan’ny aretina. Tamin’io vanim-potoana io tokoa no tena nanomboka nahafantarana ity mpampihomehy ity ary na ny tantara tsotra aza dia tanaty fampihomehezana no nizarany azy.
Ny firesahana ireo zava-mitranga eny anivon’ny fiarahamonina, toa heverina fa mandeha hoazy, kanefa hahitany fampihomehezana no maha mazana an’i Joely. Ny famangiana olona teraka, didim-poitra, ny fahafatesana, ny henatra, sns. Tapitra notsongolohan’ity mpanao hatsikana ity avokoa. Niverenany koa ny fiainany tany amin’ny 15 sy 10 taona lasa tany, izay namolavola ny ankamaroan’ny tanora nameno ny lapa tao, hany ka toa voakasika daholo ny rehetra.
Anatin’ny lazany ary nahavita ny fanamby goavana indrindra tsy mbola nataon’ny mpampihomehy eto Madagasikara i Joely. Nahazo aina vao ity sehatra ity, ary nanosi-tanana ireo namany vao manomboka i Joely ka nampiaka-tsehatra an-dry Sombiniaina, Iharantsoa, Falitiana Kely ary i Hery.
Zo ny Aina




