Porofo mivaingana amin’ny fikirizana te-hiala anaty fahantrana lalina ny ezaka ataon’ireo ankohonana misitraka ny tetikasa Vatsin’ankohonana ao amin’ny distrikan’i Vohipeno.
Tetikasan’ny fanjakana malagasy, arindran’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola ary tanterahin’ny Fid, ny tetikasa Vatsin’ankohonana.
Misongadina ny vokatry ny fiezahan’ireo ankohonana tany amin’ny kaominina Vohidava, fokontany Ambinany sy Mahazoarivo, ao amin’ny ditrikan’i Vohipeno, faritra Vatovavy, nandritra ny fanaraha-maso nataon’ny ekipan’ny Fid tany an-toerana. Miharihary ary mampitolagaga ireo mpiray vodirindrina ny fivoaram-piainan’ny mpisitraka ny tetikasa.
Tanaty fahantrana tanteraka ireo ankohonana miisa 717 tao amin’ny fokontany Ambinany, roa taona lasa izay. Amin’izao fotoana, anefa, efa tena mahavelon-tena sy mahavita mihary, manana amby ampy mihitsy aza, izy ireo.
Manan-janaka mianatra avokoa ireo ankohonana mpisitraka ary mahazo tohana hahafahany mampiditra ny zanany an-tsekoly. Ankoatra izay, misitraka tosika ara-bola ihany koa, hahafahany manatanteraka tetikasa fihariana entiny mivelona sy mampitombo ny fidiram-bolany ho mahaleo tena, izy ireo.
Tohanana ara-piofanana ihany koa ny mpisitraka hampahomby izany fihariana izany. Ny ekipa teknikan’ny Fid no milatsaka an-tsehatra manome izany fanofanana ara-teknika izany. Mpamboly sy mpiompy ny ankamaroan’ny mponina ka ny mahakasika izany no iofanan’izy ireo. Ankoatra izany ny teknikam-pitantanana ara-bola ao an-tokantrano mba tsy hisian’ny fandanindaniam-poana.
Zava-poana avokoa anefa izany fanohanana rehetra izany raha tsy misy ny ezaka sy faharesen-dahatr’ireo mpisitraka. Ny ao Vohipeno, tena resy lahatra ireo mpisitraka ary voaporofon’ny fiakaran’ny fari-piainan’ireo mpisitaka izany.
Tatiana A




