Mampahatsiahy ny kaominina Antananarivo Renivohitra fa ahazoana sazy ny fanelingelenana ny mpiray vodirindrina amin’ny feo mivoaka ao amin’ny tokantrano iray. Araka ny andininy faha-78 ao amin’ny fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana, ireo mponina amin’ny toeram-ponenana sy ny miankina aminy dia tsy maintsy mandray fepetra mba tsy ho voakorontan’ny feo avy amin’ny tranon’ireo mpiara-monina manodidina.
Iharan’ny sazy 50 000 Ar ireo minia manao izany.
Eny amin’ny fiarahamonina, misy ireo mandefa hira mafy dia mafy manelingelina ny manodidina. Hatrany amin’ny fokontany hafa aza maheno ny tabataban’ny hira alefany. Ny sasany indray miady lava ao an-tokantrano, mifamaly, mifampivazavaza henon’ny mpiara-monina mila ho isan’andro ka miteraka fanelingelenana ho an’ireo mpiray vodirindrina izany. Toraka izany koa ireo manao lanonana tsy nahazoana alalana, indrindra rehefa misy didim-poitra sy famadihana na fetim-pianakaviana hafa. Tsy fanarahan-dalàna avokoa izany ka tsara ho fantatra mba tsy ho tonga amin’ny fanasaziana.
Indraindray, misy olona tsy salama na mitaiza kely na olona marefo manodidina ka mahatsiaro mijaly vokatr’ireny zavamaneno mandeha mafy ireny. Manakotaba ny fiarahamonina tsotra izao ihany koa anefa izy ireny ka tokony tsy hatao mafy. Rehefa henon’ny mpianakavy ao an-tokantrano fotsiny ny feon’ny zavamaneno dia tokony ho ampy fa tsy atao mitabataba manafintohina ny hafa.
Tatiana A




