Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny fandrindrana nasionaly ho an’ny fikaonandoham-pirenena, ka voarakitra ao anatin’izany ny fiantsoana ireo fiangonana miombona eo anivon’ny FFKM (Fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara) mba handray anjara amin’ity fikaonandoham-pirenena ity. Maro ireo andraikitra ilàna olona ao anatin’ny fiomanana ho firosoana amin’ny dinika ho fanavaozana an’i Madagasikara, toy ny mpitantsoratra, mpanamora dinika, mpiandraikitra ireo fitaovana amin’ny fanatanterahana izany. Araka izany, misokatra ny fisoratana anarana sy ny fanaterana antontan-taratasy, ahitana ny mombamomba ireo izay maniry hisahana ireo andraikitra ireo. Eny anivon’ny fandraharahan’ny fiangonana misy azy avy no hanaterana izany antontan-taratasy izany, hatramin’ny rahampitso alarobia 23 septambra, araka ny fanazavan’ny FFKM. Hisy ny fifantenana ireo antontan-taratasy voaray ary hiatrika fiofanana aorian’izay ireo voafantina amin’ny andraikitra izay voalaza.
Tsiahivina fa efa nisy ny fampiofanana mpampiofana ary izy ireo indray no hizara ny fahalalana eny ifotony, mialoha ny dinika eny anivon’ny kaominina sy distrika ary miroso amin’ny dinika any amin’ny faritra aorian’izay, mandra-pahatonga ny dinika nasionaly, izay hatao ny volana marsa 2027.
Mi.Raz




