Hanomboka any New York, Etazonia, anio, ny fivoriambe faha-81 eo anivon’ny Firenena mikambana (ONU). Anisan’ny hodinihina amin’izany ny amin’ireo Nosy malagasy.
Nandritra ny fivoriana faha-80, efa nanapa-kevitra ny ONU ny hanemotra ny fandinihana izany ho amin’izao fivoriambe faha-81 izao. Mampiseho ny tahirin-kevitry ny ONU fa efa nampidirina hatrany tao amin’ny fandaharam-potoana nandritra ny am-polo taona maro ny momba ireo Nosy malagasy manodidina. Efa hatramin’ny nahazoan’i Madagasikara fahaleovantena izany, namoahany fehinkevitra tamin’ny 12 desambra 1979 fa anisan’ny tanim-pirenena malagasy izy ireo, nampirisika koa ny hanohizana ny fifampiraharahana amin’i Frantsa.
Manan-danja manokana ho an’i Madagasikara izao fivoriambe faha-81 izao, indrindra eo amin’ny sehatry ny diplaomasia. Ny solontena maharitr’i Madagasikara eo anivon’ny ONU any New York, tarihin’ny ambasadaoro Rahajarizafy Lanto, no miandraikitra ny fiarovana ny fijerin’i Madagasikara amin’ireo asa sy fifanakalozan-kevitra eo anivon’ny ONU. “Tsy misy afa-tsy ny fivoriamben’ny Firenena mikambana no anton-diako any”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, nanainga teny Ivato, omaly.
Fiatrehana voalohany ny fivorian’ny ONU
Hohararaotina koa ny fifampiresahana amin’ny firenena izay tokony hifampidinihana hanamasahana ny diplaomasian’i Madagasikara manerana an’izao tontolo izao. Io rahateo no hiatrehany voalohany ny fivorimben’ny ONU sy handraisan’i Madagasikara anjara, taorian’ny fiovam-pitondrana. Hihaona amin’ireo diaspora malagasy any an-toerana izy, rahampitso, ary hanana anjara fitenenana eo amin’ny pilopitran’ny ONU, amin’ny 25 septambra raha tsy misy ny fiovana. Hatramin’ny 28 septambra ny fivoriambe.
R. Nd.




