Malailay fonosana

Tao anatin’ny herinandro maromaro, mihazakazaka ny fananganana vovonana na fikambanana ho mpanohana fitondrana. Mifanindran-dalana amin’izay ny fahasarotam-piaron’ny mpitolona mahakasika ny seza azony. Miseholany ny fanehoan-kevitra mifanohitra, mahakasika an’i Kolonely sy ny Fanavaozana. Ny avy ety ivelany, niofo sy namadika kravaty, manao be fiavy, tsy miala alavitra ny filoha sy ny delegasionina tarihiny. Mahasahy mamaky ady tsotra izao.
Etsy ankilany, tsy manaiky lembenana koa ny nahazo fahefana. Tena zary mahay milalao politika ny tanora efa nomen-tseza. Mampiseho farak’izay mafy fa andry azo iankinan’ny mpitondra tokoa. Raha ny seho ivelany amin’ny alalan’ny sary na horonantsary, miampy horonampeo, dia tena mahavita azy ry zalahy sy zavavy. Tsy homen-tsiny tokoa izy ireo fa ny hafa ve no hiravaka ny vangy nalaina tamin’ny voay novonoina.
Ny indrokely anefa, manao fiaron’amboalahy antitra ny sasany. Vondrona tsy manana fototra politika. Misy mpikarama an’ady efa fantatra hatrizay. Ny hafa, miteny amin’ny anaran’ny tenany manokana na ny kinamanamany. Izany ve no azon’ny filoha hitokisana amin’ny hoavy politikany rehetra? Asa aloha fa mila olona, mila fahaiza-mitarika ary indrindra manana finiavana araka ny tokony ho izy izay ho mpanohana tena izy ity fitondrana ity.
Tsy vitan’ny vavabe, tsy vitan’ny toky fitaka. Ny hatao no tokony ho hita sy hoentina milokaloka fitiavana ho fanohanana amin-kitsimpo ny Fanavaozana. Tsy ilaina ny malailay fonosana na manao ranon’Ikopa. Mila madio saina sy miara-misikim-ponitra vao tafita amin’ny tetezana be sotasota ity. Iaraha-miaina fa na ny ao anatiny na ny ivelany samy misababaka, manao lela mamy avokoa.

r.r

Partager sur: