Tsy mahavita tena!

 

Nafotaka ny fotoam-panokafana ny fankalazana ny herintaona nisian’ny hetsika “Gen Z”, izay niafara tamin’ny fionganan’ny mpitondra teo aloha. Fety nialohavana fotoam-bavaka izany. Andaniny, misy ny faly. Ankilany, mbola maro no mitomany sy malahelo noho ny hadisoam-panantenana. Nivadika manko ny rasa. Ny mpitolona sy ny mbola mitady ny tena fanovana indray no tahaka ny hoe: tsy milamina na tsy “normaly tsarabe”.
Tsy fotoan’ny fifamendrofendroana anefa izao, vanim-potoana hakana lesona. Asa anefa, manao akory ny ahafahana manatanteraka izany? Betsaka ny tsy fitoviam-pijery, na eo amin’ny samy mpanohana ny fitondrana aza. Mainka moa any anatin’ny heverina ho mpanohitra. Mahazo vahana ny zarazarao hanjakana. Maro koa no miova loko tsy hay mazava izay foto-keviny na ny zotra safidiany amin’ilay raharaham-pirenena.
Manahirana ny mitondra fanakianana amin’ny zava-misy sy iainana ankehitriny. Ny mangina ihany no volamena, na dia mahoraka sy mahazo vahana aza ny sera momba izany. Samy mbola any anatin’ny fahazoana tsirony amin’izay azony taorian’ny tolona ny sokajin’olona isan-karazany. Ny very toerana moa mbola taraiky any anaty fifamendrofendroana sy fivadihana tsimoramora, ho an’ny tombontsoan’ny tenany manokana.
“Angaha hita e!”, hoy ny fitenin-jatovo. Samy manarakaraka ny onjany eny daholo. Ahoana tokoa moa no ivoizana ny lakana hanohitra ny onja sy ny rivotra? Aleo ihany hatopatopany amin’ny nahim-pony eny. Zava-dehibe ny fahatongavana eny an-tseranana. Lavitry ny voina sy ny sakantsakana. Ny tonga soa no arahabaina koa ampirisihina ny rehetra hahay hifanohana hatrany.
Tsy misy mahavita tena, tsy misy hoe tompon’i Madagasikara manokana izany. Tokana ny vina, mifanome tanana ho an’ny taninjanaka.

r.r

Partager sur: