CHUJRA, Anosiala, Soavinandriana : Fandidiana saropady momba ny loha sy ny hazondamosina

Hatramin’ny zoma izao ny hetsika « Fandidiana maimaimpoana » tanterahina ao amin’ny CHUJRA, iaraharana amin’ny Association d’aide au développement de la neurochirurgie à Madagascar.

Andiany voalohany ny hetsika, iarahana amin’ ny Association d’aide au développement de la neurochirurgie à Madagascar. Ahitana ekipa avy any Frantsa mifarimbona amin’ny ekipan’ ny hopitaly manatontosa izany. Fandidiana ireo marary misy fivontosana saropady any amin’ny atidoha sy ny tsy fahatomombanana eo amin’ny firafitry ny atidoha sy ny tsokan-damosina eo amin’ny zaza, toy ny hydrocéphalie no tanterahina mandritra izany. Misy koa ny hetsika eny amin’ ny CHU Anosiala sy ny CHU Soavinandriana.
Mitondra fitaovana mihitsy ireo ekipa avy any Frantsa, raha ny fanazavan’ny profe­sora Rabarijaona Mamy, neu­rochirurgien ao amin’ny hopitaly CHUJRA. Misy ireo rafi-by samihafa ampiasaina hanarenana ny hazondamosina mivilana sy tsy tomombana.
Tafiditra ao anatin’ny fampianarana ireo tanora neurochirugien koa ny hetsika ahi­tan’izy ireo ny fivoarana sy ny teknolojia vaovao entina amin’ izany fandidiana saro-pady loatra izany. Ankoatra izany ny fanomezana ny fitaovam-pitsaboana sy ny kojakoja ho an’ireo sampandraharahaha 3 eto Antananarivo hanatanterahana ny fandidiana.
Hitohy hatrany amin’ireo hopitaly telo efa nanaovana fiaraha-miasa ny hetsika amin’ ny taona ho avy. Ireo dokotera mpandidy ihany no mijery ireo marary tokony hiatrika fandidiana indray amin’ny herin­taona. Afaka manatona ny CHUJRA ireo tsy salama na to­kony hodidiana loha sy hazondamosina satria maimaimpoana ny fizahana ary tanterahina ny fandidiana rehefa tonga ireo profesora manao ny iraka.
Fanararaotra ny fandalovan’ireo manam-pahaizana, satria manana fitaovana avy any ivelany, rehefa manao hetsika fandidiana toy izao. Dieny izao, efa afaka manao fizaham-pahasalamana hahafahana misitraka izany fandidiana izany indray ireo mila izany.

Tatiana A

Partager sur: