Ankizy 21, zanak’ireo fianakaviana sahirana tsy manan-kialofana, monina ao amin’ny Madcap sy Seba, no nampidirina an-tsekoly, omaly. Nampidirina ao amin’ny EPP IIIG Hangar Antohomadinika izy ireo mba hahafahany manohy ny fianarany ao anatin’ny tontolo mendrika. Mpatory an-dalana izy ireo taloha no nafindra sy nomena fiahiana ao amin’ny Seba sy Madcap ary izao afaka misitraka fianarana toy ny ankizy rehetra izao.
Vokatry ny fiaraha-miasan’ ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra no nahafahana nampiditra azy ireo an-tsekoly. Tanjona ny hanohana sy hanome fanabeazana ireo ankizy marefo ho tonga olom-banona sy ho afaka anaty fahantrana lalina.
Niara-nientana tamin’izany ny sampana sosialy ao amin’ ny CUA sy ny ray aman-drenin’ ireo ankizy. Miaraka amin’ny fitafy madio sy kitapo ary fitaovam-pianarana ireo ankizy naterina teny amin’ny EPP IIIG Hangar.
Tatiana A




