« Kardo 2026 » – Russie: Nentin’i Fab’s Brownz nody ny amboara

Maresaka any Russie any, tato ho ato, ny zavakanto malagasy. Taorian’ny « Your generation », lasan’ny Malagasy koa ny laharana voalohany amin’ny fifaninanana rap « Kardo 2026 ».

Lasa ihany koa ny mozika an-tanàn-dehibe! Nanakoako ny vaovao fa norombahin’i Fab’s Brownz ny laharana voalohany amin’ny sokajy « rap pro », nandritra ilay fifaninanana « Kardo 2026 », natao tany Russie. Nigadona teto an-tanindrazana, omaly, ity mpanakanto ity niaraka tamin’ny amboara. « Misaotra anareo rehetra niara-nanoratra ny tantara tamiko, anareo ihany koa izao fandresena izao », hoy izy vantany vao fantatra fa lasan’ny solontena malagasy ny voalohany, nandritra ny lanonana tany Vladivostok, ny alahady teo.
Fifaninanana iraisam-pirenena ho an’ny zavakanto an-tanàn-dehibe ny « Kardo ». Efa nisy tany Russie hatramin’ny taona 2018 izy ity, ahitana taranja 13 hifaninanana: DJing, graffiti, breaking, rap, sns. Efa nahatratra 225 000 ireo mpanao kanto nifaninana, avy amina firenena 147 hatramin’izay. Tamin’ity andiany faha-9 ity kosa vao nanana solontena i Madagasikara, kanefa avy hatrany dia namiratra.
« Nisy asa sy fiarahana be tao, ka hisaorako ny federasionin’ny hip hop eto Mada­gasikara. Teo koa ny African Initiative, VoayGang, Pretty Hustler, Luis Herald,sns », hoy hatrany i Fab’s Brownz. Faly toa azy avokoa ireo namany, indrindra ireo anatin’ny tontolon’ny zavakanto an-tanàn-dehibe.
« Tsapanareo ve fa efa fotoanantsika izao ? Vitsy ny nino tany am-piandohana, fa rehefa nahita an’i Basta Lion nitondra avo ny sainam-pirenentsika taty Europe sy nanomboka nihodina manerana izao tontolo izao ny WyflRiddimChallenge dia nisy fijery nisokatra tao. Io indray i Fab’s Brownz fa nitondra ny amboaran’ny  Kardo 2026, sokajy Rap Pro. Arahabaina rahalahy ary misondrota aminy ambony hatrany. Io koa i Naty Kaly fa nitondra avo ny Graffiti Malagasy tany Russie, tsy nitsanga-menatra manoloana ireo solontena efa kalaza manerana an’izao tontolo izao. Mbola tsy tara isika raha hanohana an’i Agrad izay voafantina amin’ ilay Afro Golden Hip Hop Awards izay tanterahina any Etazonia, ny novambra izao », hoy ny fanehoan-kevitra sy fanentanana na­taon’­i Misié Sayda.

Zo ny Aina

Partager sur: