Fikaonandoham-pirenena: Hiofana ireo « Trio » ho eny ifotony

Miroso tsikelikely ny fiatrehana ny fikaonandoham-pirenena. Anisan’ny efa handeha ny eny anivon’ny fokontany.

Nambaran’ny loharanom-baovao eo ani­von’ny FFKM fa efa hanomboka tsy ho ela ny fanofanana ireo mpanamora sy mpitantsoratra ary koa ny mpiandraikitra hisahana ny fitaovana «Trio». Efa maro ireo zanaky ny fiangonana eo anivon’ny FFKM namaly ny antso handray anjara feno amin’izany. Nangatahana tamin’izany ny mombamomba ireo liana. Nifarana, omaly izany ary hitohy amin’ny fifantenana. Hanomboka tsy ho ela ny fanofanana azy ireo.
Anisan’ny andraikitra ho­sahanin’izy ireo ny fanentanana ny dinika eny amin’ny fokotany hiatrehana ny fakan-kevitra eny ifotony.

Dinika eny anivon’ny kaominina
Etsy andaniny, nambaran’ny loharanom-baovao fa nisy fihemorana kely avokoa ny asa tanterahina noho ny fandaminana avy amin’ny mpandrindra teknika. Na izany aza, tsy misy fiovana firy ireo tetiandro efa nofaritana hatrany am-piandohana. Anisan’ izany ny tokony hanombohana ny fikaonandoha eny anivon’ny fokontany, aorian’izao fiofanan’ny «Trio» izao. To­kony hiara-dalana amin’izany ny fikaonandohan’ireo any ivelany «Diaspora». Hitohy eny anivon’ny kaominina izany, ny 5 oktobra izao, raha tsy misy ny fiovana. Hiakatra eny amin’ny distrika izany, ny 26 oktobra ary dinika eny
amin’ny faritra, ny 16 novambra.

Synèse R.

Partager sur: