Misolo tena miaro ny voninahi-pirenena malagasy amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny sokajy zokiny, « vétérans », atsy Sarajevo, ny 20 hatramin’ny 24 septambra 2026, Randrianjohany Ivan, atleta avy amin’ny Diaspora malagasy Judo. Nihintsana teo amin’ny 1/16ndalana moa ity solontena malagasy ity.
Hotontosaina any Fianarantsoa, ny 29 oktobra hatramin’ny 1 novambra 2026 ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja karate do, sokajy rehetra. Hatao mandritra io fe-potoana io ihany koa ny fivoriambe ara-potoan’ny Federasiona ary ny fifidianana izay ho filoha hitantana ny taranja indray.
Raha tsy misy ny fiovana farany, hotanterahina any Fianarantsoa, ny volana novambra ho avy izao, ny fifaninanam-pirenena amin’ny taranja dihy ara-panatanjahantena. Hifampitaona ao amin’ny faritr’i Fianarantsoa indray, araka izany, ireo mpankafy sy mpisehatra amin’ny dihy.




