Tsiahy ny tolona 2025 : “Aoka izay ny fifanenjehan’ny samy Malagasy”

25 septambra 2025. He­rintaona omaly ny hetsiky ny tanora Gen Z nisian’ny fiovam-pitondrana ho amin’ny fanavaozana. Ho tsiahy izany, nisy ny hetsika fitokanana tsangambato teny Ambo­hidahy, anisan’ny toerana mafy tamin’ny mpanao hetsika ny namaky azy, hidirana teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey, Analakely. Famerenana ao an’eritreritra sy ao am-po ny ady sy ny tolona niarahana ny tsiahy ny tolona, araka ny lahatenin’ny tanora avy amin’ny Gen Z. Fahatsiarovana ireo namana rehetra nitolona, namoy ny ainy sy ireo latsa-dra rehetra nandritra ny tolona koa ny tsiahy, famelomana hatrany ny fitiavan-tanidrazana nolovaina tamin’ireo razana. Fanehoana hatrany koa ny fahavononana mbola hijoro ny tsiahy ny tolona hiady ho an’ny tanindrazana sy ny tanin-janaka. Mbola mitohy hatrany ny tolona, fa ny ta­min’ny taon-dasa no vita.
Herintaona lasa izay no nisian’ny fifanenjehana teo amin’ny samy mpiray tanindrazana tamin’ny fomba feno habibiana, araka ny namba­ran’ny tanora vavy iray mitondra takaitra noho izany. “Aoka izay ny fifanenjehan’ny samy Malagasy”, hoy izy. Koa andao hiaraka hanova… Nisy koa ny fampitana hafatra ho an’irao mpanao politika: maro ireo sasantsany tsy te hifampitankosina amin’ny tanora… Fomba ratsy mahazatra an-dry zareo no mbola tiany hampiainana. Tsy hozarazaraina amin’ny loko sy tombontsoa politika ny tanora. Tsy zakan’ireo olom-bitsy te hifehy an’i Madagasikara ny mahita ny firaisan-tsaina, indrindra eo amin’ny vahoaka. Fotoana izao anehoan’ny tanora fa mbola mijoro hatrany izy ireo.
Nisy ny fametrahana fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangambato nataon’ireo olom-panjakana eo anivon’ny fitondrana Fanavaozana ton­ga nanome voninahitra ny he­tsika tsiahy ny tolona.

R. Nd.

Partager sur: